Tantara Malagasy - RATRAM-PITIA (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 6 сен 2024
  • RATRAM-PITIA
    Tantaran'i Radio Don Bosco
    Tantara Malagasy
    Tantara indray miseho
    Misisika ny hiaraka amin'i Lauria hatrany i Thierry, very fanantenana ity farany hoe rahoviana no hanaiky ny fitiavany io tovovavy mba iriany io ; ity tovovavy ity moa dia efa kamboty ray sy reny. Nanaiky ny hitia an'i Thierry ihany i Lauria rehefa nandinika volana vitsivitsy. Niverina teto Antananarivo ny olontian'i Thierry taloha ary misisika ny hiaraka aminy indray. Hitan'i Minosoa niaraka i Thierry sy io tovovavy io, notanteriny tamin'i Lauria, tsy nino ny zava-misy ity farany, ary niteraka disadisa teo amin'izy roa resaka io...
    Fotoana fohy taty aoriana dia nifanena i Minosoa sy Lauria, nialatsiny noho ireo disadisa i Lauria, nifampitantara ny olana ara-pitiavana nisy. Nifankatia tamin'i Elysé, zanaky ny tompon'ny orinasa iasany i Lauria, noraran'ilay ramatoa tale anefa ny fiarahan'izy roa ; niala tao amin'ilay orinasa i Lauria noho ny fandrahoanana nahazo azy. Nikaroka an'i Lauria foana i Elysé ary hitany ihany, niverina niaraka izy ireo. Novonoin'i Thierry anefa i Elysé, nitohy ny ratra-po nahazo an'i Lauria.
    Mpanoratra : R H M L - Ratolojanahary Hanitriniaina Maria Laurette
    Mpilalao : Antsa-Ravaka, Hanjariliva, Niravo, Faly, Synèse
    Nandray feo sy Nanatontosa : Tovo Razanamamonjy
    #tantara
    #ratrampitia
    #sarymihetsika

Комментарии • 7

  • @iavotriniainanasolonomenja1761
    @iavotriniainanasolonomenja1761 Месяц назад +2

    Tokony ho nisy tohiny ny tantara sy ny fisehoan' ny marina fa tsy hoe maty fe maty fotsiny tahaka ny akoho novonoina i Elysé.

  • @marysue1146
    @marysue1146 29 дней назад

    namono-tena koa zany Lauria? Mampalahelo

  • @mariellaferinande4485
    @mariellaferinande4485 Месяц назад

    Misaotra betsaka nizara atrany ♥️

  • @LusaStella
    @LusaStella Месяц назад

    Misaotra, de manantena n'y manaraka

  • @rovasoa
    @rovasoa Месяц назад

    Misaotra nizara oo😍🇲🇬🙋‍♀️

  • @fozalane
    @fozalane Месяц назад

    Tokony mba mahay tsara ilay pilalao fa tsy mamaky teny be

    • @marysue1146
      @marysue1146 29 дней назад

      efa izay ilay tantara gasy e ambiance daholo zany😅