Rija Ramanantoanina & Mbolatiana - Fitiavana Mamiratra (Madalyrics)
HTML-код
- Опубликовано: 13 окт 2024
- Rija Ramanantoanina & Mbolatiana - Fitiavana Mamiratra (Madalyrics)
✔ Hira: Rija Ramanantoanina & Mbolatiana - Fitiavana Mamiratra
• Video
Niahotra any aho ny hanoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Nony akaiky anao
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra no sisa tazako
Nanantona ianao, nanoroka ianao
Dia tsy tsaroako intsony ny amiko rehetra rehetra
Toa nanidina aho
Nanjavona teo izay nojereko
Ny masonao mamiratra no nobanjiniko
Fotoana fohy, minitra fohy
Fa toa nijanona avokoa ny fiainan’ny tontolo
Nanaja antsika roa
Ilay nofiko teo nahoana moa
Raha toa isika roa irery ny olombelona eto an-tany
Nofinofy atoandro
Dia tapaka teo ilay fotoana fohy
Ny masonao mamiratra no indro tazako
Nofy hoy ianao Nefa hoy aho
Kisarisary matotra ato an-tsaiko tsy afaka intsony
Ireo nofinao
Nangovitra ianao nihovitra ianao
Fa gadona efa vitako hirahira ny hovitrovitrao
Mitovy ny ahy sy ny anao
Tsy tapitra hatreo ilay fotoana fohy
Fitiavana mandrakizay no niatomboka
Niahotra any aho ny hanoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Nony akaiky anao
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra no nobanjiniko
---------------------------------------------------------------------
🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬
Contact: madalyrics2.0@gmail.com
Merci eee ❤❤❤
🥰🥰
❤❤❤