Ny tokony ho fomba fiainako amin'izao vaninandro izao_15 10 2017

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 7 фев 2025
  • II Petera 3 : 1 Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ ny fampahatsiarovana,
    2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ ny mpaminany masina rahateo sy ny didin’ ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
    3 fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
    4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza.
    5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra,
    6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ ny nanasaforany azy;
    7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’ izany teny izany ho amin’ ny afo ka tehirizina ho amin’ ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
    8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
    9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra,
    10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.
    11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
    12 sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ ny andron’ Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ ny zavatra rehetra!
    13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ ny fahamarinana.
    14 Koa amin’ izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ ny Tompo amin’ ny fihavanana.
    15 Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’ i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
    16 tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany.
    17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ ny fahadisoan’ ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo;
    18 fa mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.

Комментарии •

  • @jhennieandreah1688
    @jhennieandreah1688 3 года назад

    Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany, misaotra Jesoa Malala ny @ famonjenao sy fanafahanao amen🙏. Mitomboa fahasoavana hatrany zoky Tantely

  • @sarahsarah9554
    @sarahsarah9554 3 года назад

    Amen 🙏. Isaorana ny Tompo @ teniny izany . Mankasitr tompoko 🙏

  • @volatianaharisoa7597
    @volatianaharisoa7597 4 года назад +2

    Deraiko isan andro Jesosy Kristy fa mbola izy no manome fofon aina ivelomako Amen

  • @mbotizandryelissah8769
    @mbotizandryelissah8769 4 года назад +2

    Amena

  • @sesr6490
    @sesr6490 6 лет назад +1

    deraina ny tompo fa tsara izy ,misaotra anw Ranadahy fa tena mampahery b ilay toriteny ;Amen

  • @mioralalaina24
    @mioralalaina24 7 лет назад +3

    AMEN AMEN !Isaorana ny Tompo topony teny nanome atsika anizany teny zany Amen bee!
    Makasitraka Zoky Tantenly à fiadanana ho aminao ho amireo rehetra

  • @محمدعبدالعزيز-ج2ك
    @محمدعبدالعزيز-ج2ك 7 лет назад +3

    Misaotra Anandriamanitra ô nomenao teny ho anay tsirairay avy reto Amen

  • @yoliscoyolisca9001
    @yoliscoyolisca9001 4 года назад

    Misaotra ny TOMPO AMEN🙏🙏🙏🙏🙏🙏

  • @planetcyber2203
    @planetcyber2203 6 лет назад +1

    Anisany nanome hery ahy ny toritenao ralaha ka mahereza atrany @ asa TOMPO sy nazahoko lesona ka tahiny Tompo anao, ary mba hatoriny anao anehy izay lalana tsara rehetra, fa aza homena tsiny aho ra mba hiteny kely fa tsizaho no meteny anao fa Jesosy masoa anao izany. rarao ny olona torinao teny mba tsy hampiasa tele fa fitaovana maherivaika iray ampiasany satana io mba hampijangajanga olona sy hatonga azy hanao ny ratsy izay itany aho. voninahitra dia hoany Jesosy ihany amen.

  • @raonyyves5452
    @raonyyves5452 6 лет назад +1

    deraina Jesosy kristy fa lehibe ny asany amen aleloia

  • @antonioliliana2155
    @antonioliliana2155 5 лет назад +1

    Amen

  • @jhennieandreah9054
    @jhennieandreah9054 5 лет назад

    Misaotra Anao Andriamanitra @ zava-drehetra;@anaran'Jesosy hanomezako voninahitra Anao ary hiderako & ankalazako ny anaranao masina hatrany amen🙏

  • @garniernina9414
    @garniernina9414 4 года назад

    ary roa taona taty aoriana niseho ny covid 19. Tompo ô sitrano Madagascar sy izao tontolo izao. ary mamela ny helokay fa mpanota tsy mendrika izahay amen 😭

  • @sarashalom6075
    @sarashalom6075 7 лет назад +2

    Je réécoute. Merci pour l'exhortation. C'est vrai! Le meilleur reste à venir. C'est Jésus-Christ! Yeshua Ha Mashiach! Amen! Nanjavona hono sasany e! Alleluia! Gloire à Dieu!

  • @nadiazivenah2275
    @nadiazivenah2275 7 лет назад +1

    Amen deraina jesosy Mankasitraka topoko

  • @sarashalom6075
    @sarashalom6075 7 лет назад +2

    Powerful message! Merci pour le partage: de la nourriture au temps convenable Luc 12:42. A Dieu seul la gloire!

  • @pouminaaycham.kambana4208
    @pouminaaycham.kambana4208 4 года назад

    Tena mahazo aina be za ref avy mihaino toriteny ato am Kristiana ve . Mitomboa fahasoavana hatrany ianareo rehetra mpiara-miasa

  • @nathymyah3615
    @nathymyah3615 6 лет назад

    Misaotra Jesosy amen

  • @dinarasoarimalala3887
    @dinarasoarimalala3887 6 лет назад +1

    tsara be Jesosy Tompo Misaotra betsaka Ranadahy mampahery sy manaitra mandrakariva

  • @sorlineeuphrasieduconge4295
    @sorlineeuphrasieduconge4295 2 года назад

    Ia rogny ee misaotra pasteur ,in 1 andro agny hihaona any andanitra isika

  • @mariefrancia4561
    @mariefrancia4561 6 месяцев назад

    Koritiana 1: 7 29

  • @rasoanirinafrancla1881
    @rasoanirinafrancla1881 7 лет назад +2

    Misaotra betsaka any jesosy
    Nanome zany teny mamoha amin'ny fatoriana zany aok, hiomania fa hoavy jesosy ts ampoizina izy hoavy

  • @sarindratatianak5862
    @sarindratatianak5862 6 лет назад +1

    misaotra jesosy ô

  • @ziennenorbert8149
    @ziennenorbert8149 Год назад

    Amen