Fihemorana any am-parany 21-01-2018

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 9 фев 2025
  • Matio 25:1 Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
    2 Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
    3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
    4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany.
    5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
    6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
    7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
    8 Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
    9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.
    10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
    11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
    12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.
    13 Koa amin’ izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

Комментарии • 11

  • @pouminaaycham.kambana4208
    @pouminaaycham.kambana4208 3 года назад

    Fohazy ny sakaizanao izay mbola matory Jesosy Kristy Tomponay ô , Amena .

  • @planetcyber2203
    @planetcyber2203 7 лет назад +2

    mahereza ralaha misa, fa tena mitohetra aho aminao ny fahalalana sy fahendrena nomen' Andriamanitra anao ka mazava amiko daholo ny fampianarana tsy mitory fotsiny an fa mampianatra koa dia mba alefaso daholo azafady izay fampianarana sy toriteninao any .hoany Jesosy irery ihany ane ny voninahitra. amen

  • @mamala5498
    @mamala5498 4 года назад

    Misaotra aminy fizarana

  • @mhrsss5324
    @mhrsss5324 6 лет назад

    Amen makasitraka indrindra tena miteny aminay Ianao Jesosy o misaotra Tompo o !

  • @malalaniainasetrachristell5103
    @malalaniainasetrachristell5103 4 года назад

    Derainay s'y ankalazainay mandrakariva anie ianao Jesosy malala o Amena

  • @mosalala
    @mosalala 6 лет назад +4

    Misaotra betsaka amin'ny famelabelarana! Misy zavatra maro mila eritrerretina mihitsy! Ny tsara ho lazaina mazava anefa dia ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona sy ny fitiavany hamonjy azy na inona na inona vitany! Tsy ny fahotana no olana, tsy ny haben'ny fahotana vita no olana! Ny tena olana dia isika tsy mety miaiky heloka sy tsy mibebaka. Noho izany io fibebahana io no zava-dehibe tokony haharesy lahatra ny rehetra indrindra isika kristiana. Tsy ratsy fiafara mihitsy MOSESY!! Raha hoe tsy tafiditra tany amin'ny tany Kanana angamba dia azo lazaina an'izay kanefa tsy ny ety ambonin'ny tany no finalité fa ilay fiarahana amin'ny Tompo mandrakizay! Noho izany tsy ratsy fiafara izy! Efa velona any an-danitra aza izy ankehitriny§ Toy izany koa i DAVAIDA MPANJAKA! Tena nanota sy nijangajanga ary nanao izay ratsy teo anatrehan'Andriamanitra kanefa rehefa nibebaka marina dia tsara fiafara koa. Koa ny fihemorana any am-parany dia heveriko fa ny tsy fanekena hiaiky heloka sy tsy hibebaka satria tsy misy olona hiditra any an-danitra tsy mibebaka mihitsy! Koa samia mahazo fahedrena avy any ambony ary manaiky ho tarihin'ny Fanahy Masina amin'ny FIBEBAHANA MARINA isika mianakavy ka na HIHEMOTRA AZA IZAO TONTOLO IZAO ( ary efa voasoratra mihitsy izany fa maro no handeha amin'izay lalana izay) izaho sy ianao kosa hijoro hatramin'ny farany ho an'i JESOSY KRISTY TOMPONTSIKA ary HITSENA AZY eo amin'ny rahon'ny lanitra tsy ho ela intsony! Amena! Samia mahery avokoa ary aoka hifampivavaka fa izay no vahaolana tsara indrindra e!

  • @kostkanieella2066
    @kostkanieella2066 6 лет назад +1

    Misaotra an'jesosy fa be loatra ny fitiavany atsika olombelona

  • @ninonrandry7277
    @ninonrandry7277 6 лет назад

    Nahazo don ho mpampianatra mihintsy i Misa, misaotra an'i JESOSY ntsika

    • @tarapahazavana9349
      @tarapahazavana9349 2 года назад

      Mankasitraka hatrany ehh
      Manantena ny mba hitohizan'ny fampianarana frere Misa
      Mirariso ho anao sn ankohonanao

  • @sharalolo2121
    @sharalolo2121 5 лет назад

    Misaotra ranadah