Hahereto Ny Jiro : SLKM Moria Bemasoandro Itaosy

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 15 сен 2024
  • Hahereto ny jiro (A/C: Tiana Daniel)
    Tao anaty alina mangina no
    (Nandre ny feonao niantso ahy aho)
    Nandre ny feonao niantso ahy aho ka nifona
    (Tao anaty torimaso mahasodoka)
    Tao anaty torimaso mahasodoka
    (No nisintonanao ahy hitsangana)
    No nisintonanao ahy hitsangana hivaoka
    (Tao anaty rendrarendra-pianana)
    Tao anaty rendrarendra-pianana mahasondriana
    (No nitenenao mafy hoe aza variana)
    No nitenenao mafy hoe aza variana
    (Miangà ka mandehana tanteraho)
    Miangà ka mandehana tanteraho
    Ny asa fanompoanà nanirahako anao
    -- Refrain x2 --
    (Tao anaty aizim-pito)
    Tao anaty aizim-pito ny teninao nanao hoe
    (Hahereto ny jiro)
    Hahereto ny jiro, hazavao ny aizim-be
    (Hahereto ho hita)
    Hahereto ho hita, 'zay matory aoka hifoha
    (Tanteraho dia ho vita)
    Tanteraho dia ho vita afafazo ny voa
    Zinona moa izahay Jesosy, no mba nofidinao
    Hanatanteraka ny asanao
    Olombelona mpiodina, mpanota
    Mpanao meloka, mpanompo tsy mahasoa
    Ny ataonay ihany no ataonay
    Nefa hoy Ianao hoe:
    Ny adala amin'izao tontolo izao no nofidiako
    Mba hampahamenatra ny hendry
    Ary ny malemy amin'izao tontolo izao
    Mba hampahamenatra ny mahery
    Koa mandehana hoy Ianao
    Areheto ny jiro, hazavao ny aizim-be
    Fa efa nahazo maimaim-poana ianareo
    Koa mizara maimaim-poana
    Tao anaty olana sy aretina ary fahoriana
    (No nanamboaranao làlana)
    No nanamboaranao làlana ho ahy ho fitahiana
    (Tao anaty fisedrana nifanesy)
    Tao anaty fisedrana nifanesy
    (No nanangananao ahy hivaoka ho mpandresy)
    No nanangananao ahy hivaoka ho mpandresy
    (Koa raha mbola homenao tombon'andro aho Jesosy)
    Koa raha mbola homenao tombon'andro aho hatrany
    (Dia hoentiko manao ny Asanao anie izany)
    Dia hoentiko manao ny Asanao anie izany
    (Raha mbola omenao vatana afaka hiasa aho)
    Raha mbola omenao vatana afaka hiasa aho
    (Hihazakazak'aho hanao mihaotra noho ny lasa)
    Hihazakazak'aho hanao mihaotra noho ny lasa
    -- Refrain x2 --
    Misaotra Jesosy a!
    Misaotra Anao nifidy anay
    Hanatanteraka ny Asanao
    Koa handeha tokoa izahay
    Vonona izahay ho iraka,
    hitety izao tontolo izao
    Hitory ny Filazantsaranao
    Misaotra Jesosy

Комментарии • 2