11 FANJAKAN'ANDRIAMANITRA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 2 окт 2024
  • FILAZANTSARAN'NY FANJAKANA
    Hianatra manokany ny filazantsara ny fanjakan'Andriamanitra isika. Rehefa tonga Jesosy Kristy dia hiditra ao amin'ny fanjakany ireo izay nanaiky ny filazantsara. Zava-dehibe ho antsika ny mahalala tsara izany fa indrindra ny manaraka tsara ireo tsy maintsy atao rehetra; raha te handova ny lanitra. Inona avy no atao raha te hovonjena? I Korintiana 15 : 1 - 4 Mandray sy miorina ary mitana tsara ny filazantsara dia : Jesosy Kristy maty, isika maty amin'ny ota amin'ny fibebahana, ka tsy miverina amin'izany intsony; Jesosy Kristy nalevina, isika mandevina ny otantsika amin'ny batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy anaty rano be; Jesosy nitsangana tamin'ny maty, isika mandray ny Fanahy Masina ilay Fanahy nanangana Azy tamin'ny fahafatesana. Ny filazantsara no lala-tokana hidirantsika ny fanjakan'Andriamanitra. Tian'i Jesosy Kristy ho membre ao koa ianao!

Комментарии •