Dibok'hafaliana, RAPHAEL Louis Rafiringa 19 mai 2018

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 5 окт 2024
  • RAPHAEL LOUIS RAFIRINGA (Ny Ainga)
    Dibo-kafaliana ny fonay ry Rainay ô !
    Andriamanitra ianao ka isaoranay
    Zanaharinay Ray ô tena tianay é
    Andriamanitra ianao ka toloranay vetson piderana
    Nosoavinao tamin’ny olo-kendry ny taninay é
    Olokendry iray nanasoa anay Tamin’ny fahalalana
    Rapahël Louis Ilay finidinao reharehanay
    Fiainam-baovao no lovasoa napetrany
    Fa ny ara-panahy sy ny Tanindrazana
    Dia indray nasandrany tamin’ny fampianarany
    ‘Lay fanasin’ny tany modelinay,kiady sy ampinga
    Mpiaro ny sekoly sy ny fiangonana an-kasahiana
    Herinay ianao frera Raphaël Louis RAFIRINGA
    Andrarezinay ka tohananay ampitokiana
    Ref: Ny tantarany ny fampianarany
    Dia mitoetra tokoa ho fahendrena soa
    Ny fiangonana sy ny ankohonana
    Notinaizany Raphaël Louis ô
    Misaotra é misaotra é
    Izy no atolotray re ry Ray ô!
    Raiso eo antanananao re ny finoany
    Aoka hiharihary izy Ray ô!
    Izay no filamatra asandratray é!
    Eny re!
    Amin-karavoana no anolorana azy
    Amin-karavoana tokoa tokoa no hanadratra azy
    Dia amin-kafaliana sy amim-pitsikiana
    Dia ankafalian sy fitsikiana manolotra azy
    Ilay andrarezin’ny fanabeazana ô! E! Raphaël Louis e!
    ‘ry ilay olomangan’ny fanabeazana ô ! E! Raphaël Louis dia misaotra ny anaranao Dia misaotra amin’ny vitanao Isaorana anie ianao ,dia misaotra amin’ny asanao Fa mitoetra ny anaranao Dia misaotra é!
    Saina fo fanahy ‘Zay hanavao ny tany e!e!
    Fa finoana mifaka amin’ny Evanjely ô!
    ‘Zay no tarigetrany,izay no fampianarany
    Evanjely mifaka amin’ny kolontsaina ho tonga nofo
    ‘Lay soatovin’ny Malagasy efa alin-kisa
    Fiangonan-tsy ho ravan’izay tafiotra mifofofofo
    Hanavao ny tanin’ny Malagasy ho paradisa
    OM GUI (NY AINGA)

Комментарии • 5

  • @delphinekouraogo4905
    @delphinekouraogo4905 Год назад +1

    École primaire privée Bienheureux Raphaël Louis Rafiringa de Ouagadougou Burkina Faso a fait 80/100 au CEPE session 2023 Gloire à DIEU

  • @delphinekouraogo4905
    @delphinekouraogo4905 Год назад +1

    ❤❤❤❤❤❤❤ Ouï la chanson est très bien

  • @lehilahymahery3927
    @lehilahymahery3927 4 года назад

    Mankasitraka fa tena tsara ilay hira , nny tarika NY AINGA koa tena mahay

  • @Andry.Urbain
    @Andry.Urbain 5 лет назад

    Makasitraka indrindra lets Rahalahy t@ famoronan n sary mihetsika e. Ten dibok'hafalian tokoa ny foko mihaino ito hira ito. Hivavaka hoatsika zandry sy dimby hatrany anie izy. Mitomboa fahaizan hatran lets Rahalah a.

  • @felanarazanatsoa1444
    @felanarazanatsoa1444 4 года назад

    ❤️🙏💖