DOULEUR ABDOMINALE [MG] : Fanaintainana amin'ny kibo

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 28 сен 2024
  • DOULEUR ABDOMINALE (Fanaintainana amin'ny kibo)
    Fandaharana "SAMY SALAMA"
    UP TV
    Radioplus 100.2 FM (radio)
    Alakamisy 6 Oktôbra 2022
    (10h30min-11h30min)
    ---------------------------------------------
    Raha manaintaina ny kibonao :
    - Manatona Dr sao sanatria mahafaty.
    - Anisan'ny atahorana :
    * Tsinay miolana : amin'ny zazakely sy ny olona efa nodidiana kibo.
    * Inflammation fonon-kibo (Péritonite) : mihenjana tsy laitra kasihina ny kibo.
    * Zaza antsosokoditra : amin'ny vehivavy afaka miteraka.
    * Vato : lamosina ambany manaintaina mamaly aloha midina.
    - Tamba-taova (Appareil) karazany 3 lehibe no ao :
    * Fandevonan-kanina : mety mampandoa, mampitohana, mampivalana...
    * Fipipizana : mety mampisy rà ny pipy, mampangirifiry rehefa mipipy...
    * Fananahana (vehivavy) : mampandeha tsiranoka ny fivaviana, mampikorontana fadimbolana...
    - Aza mihinankinana fanafody misy anti-inflammatoire (tapany manga, diclofenac...) sao aretim-bavony ka vao miha-loza.
    - Valio ara-dalana ny fanontanian'ny Dr ary atoroy mazava tsara ny faritra marary fa tena ilaina.
    Mirary fahasalamana !

Комментарии •