CLIP OFISIALY KONGRESY NASIONALY FIKAMBANANA MASINA TMV ETO MADAGASIKARA ANDIANY FAHATELO ANTSIRABE

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 11 июл 2024
  • TMV na TANORA MARIALY VESASIANINA dia Fikambanana Masina mijoro eo anivon'ny fiangonana Katolika, manaradia an'i Jesoa amin'ny alalan'i Masina Maria, izay miaina ny toe-panahy nolovaina tamin'i Masindahy Vincent de Paul, izay Olomasina Mpiaro faharoa an'i Madagasikara
    Ny fikambanana dia mijoro eo anivon'ny CEPAL tamin'ny 10 Aogositra 2012 eto Madagasikara, fa ny taona 1847 eo anivon'ny sehatra iraisam-pirenena
    Ny fikambanana dia niorina tamin'ny alalan'i fisehoan'i Masina Maria mivantana tamin'ny Masimbavy Catherine Labouré ny 18 Jolay 1830, izay nanafarany ny hanorenana ity fikambanana ity sy ny 27 novambra 1830 izay nanafarany hampanaovana ny Meday Mahagaga na Médaille Miraculeuse
    Niorina teto Madagasikara ny 08 mey 1927 tao Tolagnaro

Комментарии •