Diso taminao aho

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 29 ноя 2024
  • 1 Diso taminao aho, Tompo ô,
    Avelao ny heloko, aza arianao,
    Aza arianao aho, Tompo ô,
    Aza arianao aho fa iantrao.
    Mifona re, diovy ny foko
    Hiverenako aminao.
    2 Osa sy malemy aho, Tompo ô,
    Ka maniasia lavitra anao;
    Aza atosikao aho, Tompo ô,
    Aza atosikao aho fa iantrao.
    3 Omeo fo vaovao aho, Tompo ô,
    Hanompoako anao an-kafaliana
    Sy hiderako ny anaranao,
    Hiderako ny anaranao, Tompo ô.

Комментарии •