Nitsangana hiaro ny kolontsaina ny "NAMA"

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 5 янв 2025
  • Nijoro tamin'ny fomba ofisialy, notsofin-drano ary natrehin'ireo ray aman-dreny ara-drazana ny faran'ny herinandro teo ny fikambanana NAMA (Naman'ny Mpihiragasy Arivonimamo). Marefo sy nohambaniana ny kolontsaina Gasy ka izany no mamandroso ny fahantrana eto Madagasikara hoy ny filohan'ny NAMA , Ny Zanakantitra Justin Rakotonirina. Hamerin-kasina izany no antom-pisian'ny Fikambanana mba hiteraka fampandrosoana amin'ny lafiny rehetra. Miainga amin'ny fampanajana ny kolontsaina irery ihany ny fivoarana, hoy izy. Hitondra ny lafiny ara-teknika avy amin'ireo lovan-tsofina nampahomby ny faritr'Imamo fahagola ka ampiharina ankehitriny ny NAMA, hoy ny sekretera jeneraliny, Ny Zanakantitra Nirina Randriamandimby. Misy ihany koa ny vina amin'ny famoahana boky mahakasika ny tantaran'ny Zanakantitra taranak'Andriantsihanika zafin’Andriambahoaka nifehy an’Alakamisy Fenoarivo hatrany andrefan’Itasy faratsiho sy manalalondo, tsy ho ela.

Комментарии •