Iarivoko Any tokoa mantsy anie izy izay Ilay vohitra tiako, ’lay any aminay Mahatsiaro toa very aho ka dia velon-tsento e O ry vorona irony ! koa ty aho e mba ento Ny volon’andro efa miha malomaloka Ny tana masoandro aza mila tsy ho tazana Niondrika mora aho ka dia niala satroka Tena miaky mihitsy aho, olona sarakavana Ianao mantsy ry voron’iny, ianao no hinoako fa ho afaka Avia re raha toa tsy ho tsiny, hiangaviako hitondra ity hafatra Fa manina loatra aho izany ! ka toy ny adala mikiaka ny hoe : Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina ! Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a Toa tapa-porohona anivon-drano Mitady izay tanjona mba hitodiana Ny maso mijery no manganohano Manembona mafy an’ilay niaviana Ny tena tsy laitra dia ilay fahatsiarovana Toa aloka tsy maty ka mahatorovana Tsy miova f’izao ihany re no mba teniko Endrika ravoravo no mbola hiverenako Mba satriko lahy ny honina eto, raha ny misy ahy izao no heverina Tiako kanefa tsy haiko, fa ny embona anao re r’Imerina Eny ry Iarivo veloma ihany, raha mbola tsy maty voatoto-tany, Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina ! Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a
🥺🥺 Ry madagasikaraa malalako
Misaotra Telofangady!
Mafinaritra ery ny mihaino ny hira kanto malagasy ❤
Iarivoko
Any tokoa mantsy anie izy izay
Ilay vohitra tiako, ’lay any aminay
Mahatsiaro toa very aho ka dia velon-tsento e
O ry vorona irony ! koa ty aho e mba ento
Ny volon’andro efa miha malomaloka
Ny tana masoandro aza mila tsy ho tazana
Niondrika mora aho ka dia niala satroka
Tena miaky mihitsy aho, olona sarakavana
Ianao mantsy ry voron’iny,
ianao no hinoako fa ho afaka
Avia re raha toa tsy ho tsiny,
hiangaviako hitondra ity hafatra
Fa manina loatra aho izany !
ka toy ny adala mikiaka ny hoe :
Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina !
Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a
Toa tapa-porohona anivon-drano
Mitady izay tanjona mba hitodiana
Ny maso mijery no manganohano
Manembona mafy an’ilay niaviana
Ny tena tsy laitra dia ilay fahatsiarovana
Toa aloka tsy maty ka mahatorovana
Tsy miova f’izao ihany re no mba teniko
Endrika ravoravo no mbola hiverenako
Mba satriko lahy ny honina eto,
raha ny misy ahy izao no heverina
Tiako kanefa tsy haiko,
fa ny embona anao re r’Imerina
Eny ry Iarivo veloma ihany,
raha mbola tsy maty voatoto-tany,
Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina !
Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a
Mahatsiaro toa very aho ka dia velon-tsento e!!!!!!Ry Iarivon'Imerina oooo! mba satriko lahy ny honin'eto.......Zaho anie mbola hiverina!!!!!!!!
Iarivo 🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Tsara lotra ilay tonony. Velo-tsento tokoa maheno azy. Ry Iarivoko, mbola hiverina tokoa aho.
Endrika ravoravo no mbola hiverenako..
Manimanina aho miheno zany vazo zany ❤️❤️
Ry iarivon'i merina
Zaho anie mbola iverina....
Mbola hiverina ry Iarivon'i merina .
tsara e. velomy maso hatrany ny maha izy anao
Ndriiii ilay tanindrazana manina aty antanin'olona eh ... izaho anie mbola hiverina indray andro any
Tsara loatra. Mampanembona
Nareo sy ireo ihany no Ok !
fa ny Téléphone ko Tsimandray vahoaka Bediabe àh !
Mamiko loatra tsifoiko tsy hatakaloko Mandrakizay🙏🙏🙏❤️❤️❤️❤️❤️👌🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬☝️🎼🎵🎶🎧🎤🎸🥁
Vorona o, ento n'y hafatra fa manina e♥╣[-_-]╠♥
❤
mbola ho avy fotoanany