MOFONAINA 03 SEPTAMBRA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 1 окт 2024

Комментарии • 3

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  29 дней назад +2

    TAHIRIN-KEVITRA Fiaraha-mandinika Soratra Masina
    Jakoba 5,13-15
    1. NY BOKY
    1.1. Fandraisan'anjaran'ny tsirairay:
    Toko: ?
    Ny andininy tadidy: ?
    Daty nanoratana: ?
    1.2. Fanampiny:
    Epistily nosoratan'i Jakoba dia isan’ireo atao hoe Epistily katolika: nosoratana ho an’ny maneran-tany (1,1).
    Epistily manakaiky ny Katolika satria mivohy ny maha-zava-dehibe ny asa eo amin’ny maha-kristianina, raha toa ka Romana ho an’ny Protestanta.
    Mpanoratra: Jakoba, notononina koa hoe "ilay marina," voalazan’ny Soratra Masina fa rahalahin’ny Tompo (Matio 13,55/Marka 6,3). Nitondra ny Fiangonana tao Jerosalema tamin’ny taona 48-62 (Asa 12,17; 15,13-21; 21,18; 1 Korintiana 15,7; Galatiana 1,19; 2,12). Ny fijoroany araka ny Asa 15,13-21.
    Antony: Fampaherezana ireo tratry ny fanenjehana sy ny fahantrana ary ny fahasahiranana samihafa (1,2-4; 1,12; 2,6-7; 5,4-11; 5,13-14).
    Voamariky ny teny mandidy (54 isa eo ho eo). Lohahevitra miavaka tsy dia misy fifanohizan-kevitra.
    Ady hevitra sarotra ny nanekena azy ho isan’ny boky ao amin’ny Baiboly (kanonizasiona).
    Drafitry ny boky: 1.1. Fiarahabana.
    1.2. 1,2-8: Ny tombontsoan’ny fizahan-toetra.
    1.3. 1,5-8: Ny vavaka amin’ny fahatokiana.
    1.4. 1,9-11: Ny manana sy ny mahantra.
    1.5. 1,12-18: Ny fizahan-toetra ny finoana.
    1.6. 1,19-2,26: Ny lojikan’ny finoana sy ny lojikan’izany.
    1.7. 3,1-4,12: Ny fahendrena azo avy amin’ny finoana aseho amin’ny teny sy amin’ny asa.
    1.8. 4,13-5,6: Ny mpanana sy ny fombany.
    1.9. 5,7-20: Ny faharetana sy ny fiombonana noho ny finoana.
    2. FAMARITANA NY TEKSTA
    3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA
    3.1. Vavaka amin’ny toe-javatra rehetra (13).
    3.2. Vavaka amin’ny anaran’ny Tompo (14).
    3.3. Vavaka amin’ny finoana.
    3.4. Vavaka ao anatin’ny firaisan-kina.
    3.5. Ny herin’ny finoana sy ny famelan-keloka (15).
    3.6. Ny fifamatoran’ny fahasalamana sy ny famelan-keloka.
    3.7. Ny andraikitry ny fiangonana eo amin’ny fitsaboana sy ny fanasitranana (Tsy raharahan’olon-tokana ny fanasitranana).
    4. FAMPIHARANA FITO: AOKA
    4.1. Aoka ho feno vavaka isika na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
    4.2. Aoka tsy hamaivanina ny fampaherezana ny marary ara-panahy sy ara-batana.
    4.3. Aoka hanamafy hatrany ny fahatokiana (finoana) an’Andriamanitra isika.
    4.4. Aoka hamafisina ny fiombonam-po amam-panahy ao amin’ny Fiangonana.
    4.5. Aoka tsy ho adinoina ny mangataka famelan-keloka rehefa mivavaka ho an’ny marary.
    4.6. Aoka ho zatra hifampizara ao anatin’ny fifampitokisana isika mpino.
    4.7. Aoka hivelona amin’ny famindrampon’Andriamanitra isika mba ho salama.

  • @oliverasolonjatovo3062
    @oliverasolonjatovo3062 29 дней назад

    Fiadanana ❤, mankasitraka

  • @modestineramamiarivony6526
    @modestineramamiarivony6526 29 дней назад

    Mankasitraka tompoko, misaotra an'i JESOA tongasoa Pasteur, miverina soamantsara eto @ mofonaina,ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra
    Ho tahiana ianao sy ny ankohonanao,
    Ho tahiana koa n'y mpikirakira ô